<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Mba maniry hody aho FFPM519</title>
<lyrics>[V1]
 Mba maniry hody aho,
 Ry Jesosy Tompo ô !
 // Ka ny foko hatanjaho
 Mba hankany aminao //

[V2]
 Tsy tamana eto aho
 Mampahory ny atý,
 // Koa dia mitalaho,
 Mba hafindranao arý //

[V3]
 Hody aho, ry Mpiantra,
 Aoka mba horaisinao.
 // Hianao dia feno antra,
 Ka matoky aho izao //</lyrics>
<hymn_number>519</hymn_number>
</song>